2 Kings 2:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy dia indro, nisy kalesy afo fitondra miady sy soavaly afo nampisaraka azy, ary niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra i Elia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy dia indro, nisy kalesy afo fitondra miady sy soavaly afo nampisaraka azy, ary niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra i Elia.
malagasy
Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra.