2 Kings 2:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noraisin’i Elisa ny akanjobe ivelany an’i Elia, ilay latsaka avy teny aminy ka nakapony ny rano dia hoy izy: Aiza NY TOMPO, Andriamanitr’i Elia? Eny, i Elisa koa nikapoka ny rano dia nisaraka roa izany ka nita izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: «Aiza i Iaveh Andriamanitr’i Elia? Aiza Izy?» Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita i Elisea.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisin’i Elisà ilay akanjoben’i Elià ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe: –Aiza ny TOMPO Andriamanitr’i Elià? Aiza Izy? Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.
Malagasy Bible 1865
Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noraisin’i Elisa ny akanjobe ivelany an’i Elia, ilay latsaka avy teny aminy ka nakapony ny rano dia hoy izy: Aiza NY TOMPO, Andriamanitr’i Elia? Eny, i Elisa koa nikapoka ny rano dia nisaraka roa izany ka nita izy.
malagasy