2 Kings 2:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nahita azy nifanatrika ireo zanaky ny mpaminany tao Jeriko dia niteny hoe: Ny fanahin’i Elia no mipetraka amin’i Elisa! Dia nandeha nitsena azy izy ireo ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nahita izay nataon’i Elisà avy teny lavidavitra teny ny andia-mpaminanin’i Jerikao, dia nanao hoe: «Efa mipetraka amin’i Elisà ny fanahin’i Elià.» Ary lasa nitsena an’i Elisà ireo ka niankohoka nitehi-tany teo anatrehany,
Malagasy Bible 1865
Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nahita azy nifanatrika ireo zanaky ny mpaminany tao Jeriko dia niteny hoe: Ny fanahin’i Elia no mipetraka amin’i Elisa! Dia nandeha nitsena azy izy ireo ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
malagasy
[Ny niverenan'i Elisa nankany Jeriko sy Betela, ary ny fahagagana nataony] Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.