2 Kings 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ireo taminy: Indro, misy dimampolo lahy matanjaka ato amin’ny mpanomponao. Miangavy anao izahay, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, sao noentin’ny Fanahin’NY TOMPO izy ka nazerany any an-tendrombohitra any, na any an-dohasaha any. Fa hoy i Elisa: Aza maniraka azy ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nanao taminy hoe: «Indro dimampolo lahy mahery fo eto amin’ny mpanomponao, ka aoka handeha hitady ny tomponao izy ireo, fa angamba nofaohin’ny fanahin’i Iaveh izy ka natsipiny any amin’ny tendrombohitra anankiray.» Fa hoy ny navaliny: «Aza maniraka ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanao taminy hoe: –Manana lehilahy maherifo dimampolo izahay mpanomponao; koa aoka ireo handeha hitady ity mpampianatrao, fandrao naingain’ny Fanahin’ny TOMPO izy, ka nazerany any an-tendrombohitra na any an-dohasaha any. Fa notenenin’i Elisà ny andia-mpaminany mba tsy haniraka.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ireo taminy: Indro, misy dimampolo lahy matanjaka ato amin’ny mpanomponao. Miangavy anao izahay, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, sao noentin’ny Fanahin’NY TOMPO izy ka nazerany any an-tendrombohitra any, na any an-dohasaha any. Fa hoy i Elisa: Aza maniraka azy ianareo!
malagasy