2 Kings 2:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny mponina tao amin’izany tanàna izany tamin’i Elisa: Miangavy anao izahay: Indro, tsara toerana ity tanàna ity, araka izao hitanao izao, tompokolahy, saingy ratsy rano, ary ny tany dia tsy mampahavanona anaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny olona tao an-tanàna, tamin’i Elisea: «Araka izao hitan’ny tompoko izao, dia tsara honenana ity tanàna ity, saingy ratsy rano, sady tsy mahavokatra ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mponin’i Jerikao tamin’i Elisà: –Araka izao ahitanao azy izao, tompoko, dia tsara toerana ity tanàna ity; saingy ratsy ny rano ary tsy mahavokatra ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon'anaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny mponina tao amin’izany tanàna izany tamin’i Elisa: Miangavy anao izahay: Indro, tsara toerana ity tanàna ity, araka izao hitanao izao, tompokolahy, saingy ratsy rano, ary ny tany dia tsy mampahavanona anaka.
malagasy
Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon'anaka.[Na: tsy mahavanom-boly]