2 Kings 2:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary lasa nankany an-dohan’ny rano izy, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahasitrana ity rano ity Aho; tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavanonana anaka intsony ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandeha nankany amin’ny fiandohan’ny rano sy nanipy sira tao izy nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Indro ataoko mahasalama ireto rano ireto, ka tsy hisy fahafatesana na tsy fahavokarana hiseho avy ao intsony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niainga nankany amin’ilay loharano i Elisà, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Efa nodioviko ity rano ity, ka tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavokarana intsony izy.»
Malagasy Bible 1865
Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary lasa nankany an-dohan’ny rano izy, dia nanipy sira tao sady niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Efa nahasitrana ity rano ity Aho; tsy hahatonga fahafatesana na tsy fahavanonana anaka intsony ity.
malagasy
Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]