2 Kings 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha nankany amin’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka niteny taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hakan’NY TOMPO an’i Elia tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nivoaka nankeo amin’i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va fa halain’i Iaveh anio ny tomponao, avy eo ambonin’ny lohanao?» Dia hoy ny navaliny: «Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa niainga nankany amin’i Elisà ny andia- mpaminany tao Betela ka nanontany azy hoe: –Fantatrao va fa anio no hanesoran’ny TOMPO ity mpampianatrao ho lavitry ny tenanao? Dia hoy ny navaliny azy: –Eny, fantatro koa izany fa mangina ianareo!
Malagasy Bible 1865
Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha nankany amin’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany* izay tao Betela ka niteny taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hakan’NY TOMPO an’i Elia tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
malagasy
Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.