2 Kings 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Elia taminy: Miangavy anao aho, ry Elisa, mijanòna eto; fa NY TOMPO naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy i Elisa: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy handao anao mihitsy aho! Dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Elia taminy: «Ry Elisea ô! mijanòna eto, raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho any Jerikô aho.» Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh, ary velona ny ainao, tsy handao anao aho!» Dia tonga tany Jerikô izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà: –Mijanona eto re ianao, ry Elisà, fa irahin’ny TOMPO hankany Jerikao aho. Fa novaliany hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Jerikao izy mianaka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Elia taminy: Miangavy anao aho, ry Elisa, mijanòna eto; fa NY TOMPO naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy i Elisa: Raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy handao anao mihitsy aho! Dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
malagasy