2 Kings 20:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia. Nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao fa tsy ho velona intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ka tonga tao aminy i Izaia zanak’i Amôsa nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ataovy izay hafatrao amin’ny ankohonanao, fa efa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: –Ataovy ny farahafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia. Nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao fa tsy ho velona intsony.
malagasy
[Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.