2 Kings 20:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandray ireo iraka i Hezekia ka naneho azy ny trano rehetra fitahirizany zava-tsoa, ny volafotsy, ny volamena, ny zavamanitra ary ny diloilo tsara, mbamin’ny trano fitahirizana ny fiadiany rehetra sy izay rehetra tao amin’ny trano fitahirizany: Tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faly tamin’ireo iraka i Ezekiasa, ka naneho tamin’ireo ny trano rehetra fitahirizan-java-tsoany, dia ny volafotsy sy ny volamena, ny zava-manitra sy menaka sarobidy, ary ny trano fitahirizam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketana: tsy nisy tsy nasehon’i Ezekiasa tamin’izy ireo, na ny tao an-tranony, na ny tamin’ny taniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faly i Hezekià tamin’ny fahatongavan’ireto iraka; dia nasehony azy avokoa ny trano fitahirizany zava-tsarobidy, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian’ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin’ny zavatra hafa isan-karazany tao amin’ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandray ireo iraka i Hezekia ka naneho azy ny trano rehetra fitahirizany zava-tsoa, ny volafotsy, ny volamena, ny zavamanitra ary ny diloilo tsara, mbamin’ny trano fitahirizana ny fiadiany rehetra sy izay rehetra tao amin’ny trano fitahirizany: Tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.
malagasy
Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.[Heb. nihaino]