2 Kings 20:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Inona no nolazain’ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Hoy i Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tonga tao amin’i Ezekiasa mpanjaka kosa i Izaia mpaminany, ka nanao taminy hoe: «Ahoana no nolazain’ireny olona ireny, ary avy aiza moa izy ireny no tonga tatỳ aminao?» Dia hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Avy amin’ny tany lavitra izy, dia avy any Babilôna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia nankany amin’i Hezekià mpanjaka i Isaià mpaminany ka nanontany azy hoe: –Inona no nolazain’ireny olona nankatỳ aminao ireny? Ary mba avy taiza moa izy ireo? Dia novalian’i Hezekià hoe: –Avy any Babilôna lavitra any izy no nankatỳ amiko.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Inona no nolazain’ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Hoy i Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babilona.
malagasy