2 Kings 20:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro, ho avy ny andro hitondran’ny olona ho any Babilôna, izay rehetra ao an-tranonao sy izay nangonin’ny razanao hatramin’izao andro izao, tsy hisy hijanona amin’izany, na inona na inona, hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilôna izay rehetra ao an-dapanao sy izay rehetra nangonin’ny razanao ka voatahiry mandraka androany. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO.
malagasy