2 Kings 20:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na dia ny naterakao koa aza dia hisy hoentiny ka ho ionòka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babilona ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny zanakao izay naloaky ny kibonao izay naterakao, dia hangalany hatao eonoka any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary na dia ny sasany amin’ireo taranakao aza hoentina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Malagasy Bible 1865
Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na dia ny naterakao koa aza dia hisy hoentiny ka ho ionòka* any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babilona ireo.
malagasy
Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.[Heb. ionoka]