2 Kings 20:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, tsy hisy fiadanana sy fandriampahalemana va amin’ny androko?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navalin’i Ezekiasa tamin’i Izaia: «Tsara ny tenin’i Iaveh notononinao.» Dia hoy indray izy hoe: «Eny satria homba ahy amin’ny andro hiainako ny fiadanana sy ny hatezàna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Hezekià tamin’i Isaià: –Tsara ny tenin’ny TOMPO izay nambaranao ahy. Fa hoy izy manko anakampo hoe: «Raha velona koa ny aiko, dia hanjaka ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, tsy hisy fiadanana sy fandriampahalemana va amin’ny androko?
malagasy
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?