2 Kings 20:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko manontolo ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao! Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehan’ny tavanao aho, tamim-pahamarinana sy tamin’ny fo mahitsy, ary nanao izay tsara teo imasonao!» Sady nirotsaka be dia be ny ranomason’i Ezekiasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanao hoe –TOMPO ô, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao. Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko manontolo ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao! Dia nitomany mafy dia mafy izy.
malagasy
Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.