2 Kings 20:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miverena ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hanasitrana anao Aho ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Miverena ianao, ka lazao amin’i Ezekiasa mpanapaka ny vahoakako hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Davida rainao: Reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao, ka indro sitraniko ianao; ao anatin’ny hateloana dia hiakatra ao an-tranon’i Iaveh ianao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hiverina ka hilaza amin’i Hezekià filohan’ny vahoakan’Andriamanitra hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an- tranoko ianao.
Malagasy Bible 1865
Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miverena ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hanasitrana anao Aho ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ianao.
malagasy