2 Kings 20:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’NY TOMPO hahalalanao fa NY TOMPO hanatanteraka izay zavatra nolazainy: Handroso ambaratonga folo va ny aloka, sa hiverina ambaratonga folo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Izaia: «Izao no famantarana ho anao avy amin’i Iaveh, hahalalanao fa ho tanterahin’i Iaveh ny teny voalazany: handroso ambaratonga folo va ny aloka sa hihemotra ambaratonga folo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka novaliany hoe: –Izao no famantarana omen’ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy: Hikisaka ambaratonga folo ny aloka eo amin’ny tohatr’i Ahaza; koa handroso sa hihemotra no tianao hikisahany?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’NY TOMPO hahalalanao fa NY TOMPO hanatanteraka izay zavatra nolazainy: Handroso ambaratonga folo va ny aloka, sa hiverina ambaratonga folo?
malagasy
Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo? [Heb. ambaratonga]