2 Kings 21:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hohenjaniko ato Jerosalema ny kofehy fandrefesan’i Samaria sy ny fandrefesana marindranon’ny taranak’i Ahaba; ary hamaoka an’i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka azy no manohoka azy ambony ambany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hohenjaniko amin’i Jerosalema ny famolain’i Samaria sy ny pilaon’ny fianakavian’i Akaba. Hamoaka an’i Jerosalema Aho ho toy ny lovia izay faohina sy ahohoka rehefa avy nofaohina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Horavako tahaka ny nandravako an’i Samaria sy ny fianakavian’i Ahaba i Jerosalema. Hodioviko toy ny fanadio lovia izay faohina sy ahohoka i Jerosalema ka tsy hisy mponina intsony ao.
Malagasy Bible 1865
Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.