2 Kings 21:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na dia ny ran’ny tsy manan-tsiny aza dia nalatsak’i Manase be dia be ka nandrakotra an’i Jerosalema manontolo, ho fanampin’ny ota izay nampanotany ny Joda tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afa-tsy ny fahotany izay nampanotany an’i Jodà, nitarihany azy hanao ratsy eo imason’i Iaveh, dia nandatsaka ra tsy manan-tsiny be koa i Manase, ka feno izany i Jerosalema hatrany an-tendrony ilany, ka hatrany an-tendrony ilany iray koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Marobe ny olona tsy manantsiny nampamonoin’i Manase ho faty ka nanerana an’i Jerosalema manontolo ny rany; izany moa dia ankoatra ny fahotana nitarihany an’ireo Jodeanina tamin’ny nanaovany izay ratsy eo imason’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.