2 Kings 21:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ny Baala izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, tahaka izay nataon’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely; niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy ka nanompo ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naorina indray ny fitoerana avo noraran’i Ezekiasa rainy, nanangana ôtely ho an’i Baala izy, nanao aseraha anankiray tahaka ny nataon’i Akaba mpanjakan’i Israely, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanompo ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy; ka nanangana alitara ho an’i Bahala izy sady nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà tahaka izay nataon’i Ahaba mpanjakan’i Israely; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.
Malagasy Bible 1865
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ny Baala* izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha*, tahaka izay nataon’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely; niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy ka nanompo ireny.
malagasy
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra izy ka nanompo ireny,