2 Kings 21:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zanany dia nampamakivakiny ny afo sady nanandro no nanao sikidy izy ary naka ny mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; eny, tsy nitsahatra nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampamakiany ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh hampahatezerany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary na ny zanany lahy aza dia natolony ho sorony dorana; ankoatra izany dia mbola nanandro sady nisikidy ary naka hevitra tamin’ny olona tsindrian-javatra sy mpanao fitokavana koa izy. Nahery nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, ka nampahatezitra Azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zanany dia nampamakivakiny ny afo sady nanandro no nanao sikidy izy ary naka ny mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; eny, tsy nitsahatra nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy.
malagasy