2 Kings 21:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sarivongan’ny Aseraha izay nataony dia napetrany tao amin’ny trano nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida sy i Solomona zanany hoe: Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ny fokon’ny Israely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sampin’i Astarte nataony, napetrany tao amin’ny trano izay nolazain’i Iaveh tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity trano ity, sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra, no hametrahako ny Anarako mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sarivongan’ny andriamani-bavy Aserà, izay nampanamboariny, dia napetrany tao amin’ny tempoly izay efa nolazain’ny TOMPO tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity tempoly ity sy eto Jerosalema izay tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra ity no hampitoerako mandrakizay ny voninahitro.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sarin'i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin'ny trano nolazain'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sarivongan’ny Aseraha izay nataony dia napetrany tao amin’ny trano nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida sy i Solomona zanany hoe: Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ny fokon’ny Israely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
malagasy