2 Kings 21:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hampirenireny ny Israely any ivelan’ny tany izay nomeko ny razany intsony Aho raha mba hitandrina ka hanatanteraka izay rehetra nandidiako azy izy, araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko azy ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hampandehandeha ny tongotr’i Israely hiala amin’ity tany nomeko ny razany ity intsony Aho, raha tahiny mba mikely aina ihany izy hanaraka izay rehetra nandidiako azy, sy ny lalàna rehetra nandidian’i Môizy mpanompoko azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tsy hampirenireny ny Israelita hiala amin’ny tany izay nomeko ny razany intsony Aho, raha imasoany hotanterahina ny didiko rehetra sy ny lalàna manontolo izay nandidian’i Mosesy mpanompoko azy.»
Malagasy Bible 1865
Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hampirenireny ny Israely any ivelan’ny tany izay nomeko ny razany intsony Aho raha mba hitandrina ka hanatanteraka izay rehetra nandidiako azy izy, araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko azy ihany.
malagasy