2 Kings 22:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jedida, zanakavavin’i Adaia, avy any Bozkata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Valo taona i Josiasa fony tonga mpanjaka, ary 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Ididà zanak’i Adaia avy any Besekata.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jedidà zanakavavin’i Hadaià avy any Bôtsekàta.
Malagasy Bible 1865
Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Valo taona i Josia raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jedida, zanakavavin’i Adaia, avy any Bozkata.
malagasy
[Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahirana ny Bokin'ny Lalàna] Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.