2 Kings 22:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andeha manontany amin’NY TOMPO ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ny Joda rehetra ny amin’ny tenin’ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’NY TOMPO izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity ka tsy nanatanterahany izay rehetra voasoratra ho antsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mandehana ianareo manontany amin’i Iaveh ho ahy sy ny vahoaka mbamin’i Jodà rehetra, ny amin’ny teny ato amin’ity boky vao hita ity, fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’i Iaveh, noho ny tsy naneken’ny razantsika ny tenin’ity boky ity, amin’ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an’ny vahoaka manerana an’i Joda manontolo ny amin’ny teny raketin’ity boky vao hita ity. Ireo razantsika manko tsy nihaino ny tenin’ity boky ity sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andeha manontany amin’NY TOMPO ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ny Joda rehetra ny amin’ny tenin’ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’NY TOMPO izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity ka tsy nanatanterahany izay rehetra voasoratra ho antsika.
malagasy