2 Kings 22:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha i Hilkia mpisorona, i Ahikama, i Akbora, i Safana ary i Asaia ka nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tikva, zanak’i Harasa, mpitahiry ny fitafiana, ary niresaka taminy izy ireo; fa nonina tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha i Helkiasa mpisorona, i Ahikama, i Akorôba, i Safàna, ary i Asaiasa nankany amin’i Holdà mpaminany vavy vadin’i Seloma, zanak’i Tekoà, zanak’i Araasa mpitahiry ny fitafiana; tao Jerosalema amin’ny faritry ny tanàna faharoa izy no mipetraka. Nony efa niteny taminy izy ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin’i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tikvà sy zafikelin’i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha i Hilkia mpisorona, i Ahikama, i Akbora, i Safana ary i Asaia ka nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tikva, zanak’i Harasa, mpitahiry ny fitafiana, ary niresaka taminy izy ireo; fa nonina tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy.
malagasy