2 Kings 22:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin’izay andriamanitra hafa ka nampahatezitra Ahy tamin’izay rehetra nataon’ny tanany, dia mirehitra amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy ho maty vonoina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria nafoiny Aho, fa andriamani-kafa no nanolorany zana-manitra, hampahatezerany Ahy amin’ny asan-tanany rehetra; dia nirehitra amin’ity fitoerana ity ny hatezerako, ka tsy ho azo tohaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no nirehetan’ny fahatezerako tamin’ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany.
Malagasy Bible 1865
Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin’izay andriamanitra hafa ka nampahatezitra Ahy tamin’izay rehetra nataon’ny tanany, dia mirehitra amin’ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy ho maty vonoina.
malagasy