2 Kings 22:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakany dia naniraka an’i Safana mpitantsoratra, zanak’i Azalia, zanak’i Mesolama, ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Josia mpanjaka hilaza hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josiasa mpanjaka, dia naniraka an’i Safàna, mpanoratra, zanak’i Aslia zanak’i Mesolama, ny mpanjaka ho any amin’ny tranon’i Iaveh, nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jôsià mpanjaka no nanirahany an’i Safàna mpitantsoratra zanakalahin’i Atsalià ary zafikelin’i Mesolama ho any an- tranon’ny TOMPO sady nilazany hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakany dia naniraka an’i Safana mpitantsoratra, zanak’i Azalia, zanak’i Mesolama, ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Josia mpanjaka hilaza hoe:
malagasy
Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe: