2 Kings 22:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niverina ho any amin’ny mpanjaka i Safana mpitantsoratra, nitondra valiny hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao amin’ny Trano ka nanolotra azy teo an-tanan’ny mpanao raharaha izay voatendry ho amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, nandeha hilaza ny toe-draharaha amin’ny mpanjaka i Safàna mpanoratra, ka nanao hoe: «Efa nalain’ny mpanomponao avokoa ny vola hita tao an-trano, ka napetrany eo an-tanan’izay mandraharaha ny asa, izay voatendry ho mpitandrina ao amin’ny tranon’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia niverina nanao tatitra tamin’ny mpanjaka i Safàna nilaza hoe: –Efa nangonin’ireo mpisorona ny vola azo tao an-tempoly ary natolony ny mpandraharaha voatendry hanao ny fanamboarana.
Malagasy Bible 1865
Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niverina ho any amin’ny mpanjaka i Safana mpitantsoratra, nitondra valiny hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao amin’ny Trano ka nanolotra azy teo an-tanan’ny mpanao raharaha izay voatendry ho amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy