2 Kings 23:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny soavaly izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro ka nataony teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo akaikin’ny efitranon’i Natana-Meleka tandapa, izay tao amin’ireo trano madinika tao an-kianjan’ny tempoly, dia noesoriny; ny kalesin’ny masoandro koa dia nodorany tamin’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nofoanany ny soavaly natokan’ny mpanjakan’i Jodà ho an’ny masoandro teo amin’ny fidirana mankao an-tranon’i Iaveh, akaikin’ny efitranon’i Natàna-Meleka eonòka, izay tanatin’ny fanampin-trano; nodorany tamin’ny afo ireo kalesy ho an’ny masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nesoriny ireo sarivongan-tsoavaly izay natokan’ny mpanjakan’i Joda ho an’ny fivavahana amin’ny masoandro; ireo soavaly ireo dia teo akaikin’ny fidirana mankao an-tranon’ny TOMPO tao amin’ny trano fanampiny anilan’ny efitr’i Natàna-Melèka mpiandraikitra. Nodoran’i Jôsià ny kalesin’ny masoandro.
Malagasy Bible 1865
Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny soavaly izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro ka nataony teo amin’ny fidirana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo akaikin’ny efitranon’i Natana-Meleka tandapa, izay tao amin’ireo trano madinika tao an-kianjan’ny tempoly, dia noesoriny; ny kalesin’ny masoandro koa dia nodorany tamin’ny afo.
malagasy
Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.[Heb. ionoka][Tokony ho anaran-trano madinika sasany teo an-kianjan'ny tempoly]