2 Kings 23:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ireo alitara teo amin’ny efitrano ambony, teo an- tampon-trano tamin’ny tranon’i Ahaza, izay nataon’ireo mpanjakan’ny Joda, sy ny alitara izay nataon’i Manase tao anatin’ny kianja roa tamin’ny tranon’NY TOMPO, dia noravan’ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noravany ireo ôtely teo ambony tafon’ny efitrano avon’i Akaza, nataon’ny mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny nataon’i Manase teo amin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Iaveh; ary avy eo izy dia nandeha faingana nanary ny vovoka avy amin’ireny tao amin’ny lohasahan’i Sedrôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noravan’ny mpanjaka ireo alitara natsangan’ny mpanjakan’i Joda teo an-tampon-tranon’i Ahaza ary koa ireo alitara natsangan’i Manase tao amin’ny kianja roan’ny tranon’ny TOMPO, ka nampamotehiny ary nasainy nafafy eran’ny lohasahan’i Kidrôna ny vovoka taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ireo alitara teo amin’ny efitrano ambony, teo an- tampon-trano* tamin’ny tranon’i Ahaza, izay nataon’ireo mpanjakan’ny Joda, sy ny alitara izay nataon’i Manase tao anatin’ny kianja roa tamin’ny tranon’NY TOMPO, dia noravan’ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
malagasy
Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.