2 Kings 23:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nolotoin’ny mpanjaka ireo toerana fanaovana sorona izay teo anoloan’i Jerosalema, teo amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo naorin’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, ho an’i Astarta, fahavetavetan’ny Sidoniana, sy ho an’i Kemosy, fahavetavetan’i Moaba, ary ho an’i Milkoma, fahavetavetan’ny taranak’i Amona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nolotoin’ny mpanjaka ireo fitoerana avo tandrifin’i Jerosalema, amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra Fahaverezana, naorin’i Salômôna mpanjakan’i Israely, ho an’i Astarte fahavetavetan’ny Sidonianina sy ho an’i Kamosa fahavetavetan’ny zanak’i Amôna;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nozimbain’ny mpanjaka ihany koa ireo toeram-panasinana tandrifin’i Jerosalema izay naorin’i Salômôna mpanjakan’i Israely teo amin’ny ilany atsimon’ny tendrombohitra Analanôliva ho an’i Hastôreta sampin-dozan’ny Tsidônianina sy ho an’i Kemôsy sampin-dozan’ny Môabita ary ho an’i Milkôma sampin-dozan’ny Hamônita.
Malagasy Bible 1865
Ary nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nolotoin’ny mpanjaka ireo toerana fanaovana sorona izay teo anoloan’i Jerosalema, teo amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo naorin’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, ho an’i Astarta, fahavetavetan’ny Sidoniana, sy ho an’i Kemosy, fahavetavetan’i Moaba, ary ho an’i Milkoma, fahavetavetan’ny taranak’i Amona.
malagasy