2 Kings 23:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny alitara izay tao Betela sy ny toerana fanaovana sorona izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ilay nampanota ny Israely, dia noravany koa; nodorany ny toerana fanaovana sorona ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Torak’izany koa ny ôtely tany Betela, ny fitoerana avo nataon’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ilay nampanota an’i Israely; nodorany ny fitoerana avo, noravany izany ôtely izany mbamin’ny fitoerana avo, nodorany ny fitoerana avo, nataony nanjary vovoka, ary nodorany ny aserah.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noravan’i Jôsià ihany koa ny alitara tao Betela, izay toeram-panasinana nataon’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata mba hitarihana an’i Israely hanota; eny, noravan’i Jôsià io alitara io sy ilay toeram-panasinana ka nodorany sy notorotoroiny ho vovoka; ary nodorany koa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.
Malagasy Bible 1865
Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny alitara izay tao Betela sy ny toerana fanaovana sorona izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ilay nampanota ny Israely, dia noravany koa; nodorany ny toerana fanaovana sorona ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha*.
malagasy
Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.