2 Kings 23:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitodika i Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia nandefa olona haka ny taolana tao am-pasana izy ary nodorany teo ambonin’ny alitara ireny mba handotoany azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay notorin’ilay lehilahin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nitodika i Josiasa ka nahita irerỳ fasana teny an-tendrombohitra, dia nampanalainy ny taolana tao am-pasana, nodorany teo ambony ôtely, nandotoany azy, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’ilay olon’Andriamanitra izay efa nilaza izany rahateo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niherika i Jôsià ka nahita ireo fasana terỳ an-tendrombohitra, ary naniraka olona izy haka ny taolana tao am-pasana hodorana eo amin’ny alitara mba hanazimbana azy araka ny tenin’ny TOMPO nambaran’ilay olon’Andriamanitra fony i Jerôbohama nitsangana teo anoloan’ny alitara nandritra ny fety. Niherika indray i Jôsià tamin’izay ka nahita ny fasan’io olon’Andriamanitra io
Malagasy Bible 1865
Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitodika i Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia nandefa olona haka ny taolana tao am-pasana izy ary nodorany teo ambonin’ny alitara ireny mba handotoany azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay notorin’ilay lehilahin’Andriamanitra.
malagasy
Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra.[Izahao 1 Mpanjaka xiii. 2]