2 Kings 23:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy: Tsangambaton’iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanàna taminy: Fasan’ny lehilahin’Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin’ny alitara eto Betela izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy tamin’izay: «Tsangam-baton’iza, itsy hitako itsy?» Ka hoy ny olona tao an-tanàna: «Io no fasan’ilay olon’Andriamanitra, avy any Jodà, nanambara rahateo izao zavatra nataonao tamin’i ôtely eto Betela izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanontany hoe: –Inona irỳ tsangambato hitako irỳ? Dia novalian’ny mponina tao an-tanàna hoe: –Io no fasan’ilay olon’Andriamanitra avy any Joda, dia ilay nanambara izao nataonao tamin’ny alitaran’i Betela izao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy: Tsangambaton’iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanàna taminy: Fasan’ny lehilahin’Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin’ny alitara eto Betela izao.
malagasy