2 Kings 23:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka sy ny lehilahin’i Joda rehetra ary ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, ny mponina ao Jerosalema rehetra, ny mpisorona, ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, ka novakiny teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana izay hita tao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niaraka nankao an- tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny mponina rehetra tao Jerosalema sy Joda, izany hoe ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’ny mpanjaka teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka sy ny lehilahin’i Joda rehetra ary ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy