2 Kings 23:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nesorin’i Josia koa ny mpiantso ny fanahin’ny maty, ny mpanandro, ny terafima, ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ny tany Joda sy tany Jerosalema, mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Hilkia mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho fanatanterahana ny tenin’ny lalàna voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Hilkià mpisorona tao an- tranon’ny TOMPO, dia nofoanan’i Jôsià tamin’ny tanin’i Joda sy tao Jerosalema ireo olona mpanontany ny fanahin’ny maty sy mpamoha angatra, ary nopotehiny ny sarivongan-tsampy sy ny zava-maharikoriko rehetra momba azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nesorin’i Josia koa ny mpiantso ny fanahin’ny maty, ny mpanandro, ny terafima*, ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ny tany Joda sy tany Jerosalema, mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Hilkia mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy