2 Kings 23:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa NY TOMPO tsy nitsahatra tamin’ny firehetan’ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ny Joda noho ny zavatra rehetra izay nataon’i Manase ka nahatezitra Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa tsy nionona i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany mafy, satria nirehitra tamin’i Jodà ny fahatezerany, noho ny fihatsiana nampahatezeran’i Manase Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy nitony ny firehetam-pahaviniran’ny TOMPO tamin’ny fanjakan’i Joda satria zavatra isan-karazany no nampahatezeran’i Manase mpanjaka Azy.
Malagasy Bible 1865
Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i Manase Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa NY TOMPO tsy nitsahatra tamin’ny firehetan’ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ny Joda noho ny zavatra rehetra izay nataon’i Manase ka nahatezitra Azy.
malagasy
Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i Manase Azy.