2 Kings 23:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Israely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Iaveh: «Hoesoriko hiala eo anatrehan’ny Tavako koa i Jodà, tahaka ny nanesorako an’i Israely, ary hariako ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity, sy ity trano nolazaiko hoe: Ho ao ny Anarako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no nilazan’ny TOMPO hoe: –Hoesoriko tsy ho eo anatrehako tahaka ny nanesorako an’i Israely koa i Joda, ary hailiko ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko fa hipetrahan’ny voninahitro.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Israely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
malagasy
Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.