2 Kings 23:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro nanjakan’i Josia no niakaran’ny farao Neko, mpanjakan’i Ejipta, hankany amoron’ny ony Eofrata hiady amin’ny mpanjakan’i Asiria. Ary nandeha hiady tamin’ny farao i Josia mpanjaka. Kanjo nony tojo azy dia matiny tao Megido izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nanjakany no nitondran’ny Farao Nekao mpanjakan’i Ejipta ny tafiny ho any amoron’i Eofrata mba hanampy ny mpanjakan’i Asiria. Ary nandeha i Jôsià mba hifanehatra aminy; kanjo vantany vao hitan’ny Farao izy, dia novonoiny ho faty tao Megidao.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andro nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro nanjakan’i Josia no niakaran’ny farao Neko, mpanjakan’i Ejipta, hankany amoron’ny ony Eofrata hiady amin’ny mpanjakan’i Asiria. Ary nandeha hiady tamin’ny farao i Josia mpanjaka. Kanjo nony tojo azy dia matiny tao Megido izy.
malagasy