2 Kings 23:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nijoro teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka ka nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO fa hanaraka Azy sy hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hanatanteraka ny tenin’ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’izany boky izany. Ary nankatò ny fanekena koa ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, ka nanao ny fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh, nanaiky hanaraka an’i Iaveh sy hitandrina ny didy amam-pitsipiny ary ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fankatoavana ny tenin’izany fanekena izany, izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary nankatò izany koa ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niakatra teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao ny fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandremany ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary neken’ny vahoaka rehetra izany fanekempihavanana izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nijoro teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka ka nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO fa hanaraka Azy sy hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hanatanteraka ny tenin’ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’izany boky izany. Ary nankatò ny fanekena koa ny vahoaka rehetra.
malagasy