2 Kings 23:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy fitondra miady ny fatiny ka noentiny niala tao Megido ho any Jerosalema dia naleviny tao amin’ny fasany. Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza, zanak’i Josia, ka nohosorany sy nampanjakainy handimby ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maty izy no nitondran’ny mpanompony azy tao anaty kalesy, avy any Magedao, ka nentiny tao Jerosalema dia naleviny tao amin’ny fasany. Ary i Jôakaza zanak’i Josiasa no nalain’ny vahoakan’ny tany, dia nohosorany sy natsangany ho mpanjaka hisolo an-drainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia napetraky ny manamboninahiny tao anaty kalesy ny fatin’i Jôsià ka nentina niala tao Megidao hankany Jerosalema ary nalevina tao amin’ny fasany. Nalain’ny mponin’i Joda kosa i Jôahaza zanakalahin’i Jôsià ka natokany ho mpanjaka handimby an-drainy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka Joahaza, zanak'i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy fitondra miady ny fatiny ka noentiny niala tao Megido ho any Jerosalema dia naleviny tao amin’ny fasany. Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza, zanak’i Josia, ka nohosorany sy nampanjakainy handimby ny rainy.
malagasy