2 Kings 23:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nafatotry ny farao Neko tao Ribla any amin’ny tany Hamata izy mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nogadrain’i Faraôna Nekao tany Reblà amin’ny tany Emata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema intsony, ary nampandoaviny hetra talenta volafotsy zato, sy talenta volamena iray ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nogadrain’ny Farao Nekao tany Riblà any amin’ny tanin’i Hamata izy mba tsy ho afa-manjaka any Jerosalema intsony; ary nampandoavin’io Farao io sazy volafotsy telo taonina sy volamena telopolo kilao ny fanjakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Ary nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nafatotry ny farao Neko tao Ribla any amin’ny tany Hamata izy mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta* volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
malagasy
Ary nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.