2 Kings 23:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny farao Neko dia nanendry an’i Eliakima, zanak’i Josia, ho mpanjaka hisolo an’i Josia rainy ka ny anarany dia novany hoe Joiakima, fa i Joahaza kosa dia noentiny ho any Ejipta ka maty tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Eliasima zanak’i Josiasa no natsangan’i Faraôna Nekao ho mpanjaka, hisolo an’i Josiasa rainy, ary novany hoe i Jôakima ny anarany. Fa i Jôakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia i Eliakima zanakalahin’i Jôsià no voatendren’i Nekao ho mpanjaka handimby an-drainy, ary novany anarana hoe Jôiakima. Fa i Jôahaza kosa nentin’i Nekao ho any Ejipta ka maty tany.
Malagasy Bible 1865
Ary Farao-neko nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny farao Neko dia nanendry an’i Eliakima, zanak’i Josia, ho mpanjaka hisolo an’i Josia rainy ka ny anarany dia novany hoe Joiakima, fa i Joahaza kosa dia noentiny ho any Ejipta ka maty tany.
malagasy
Ary Farao-neko nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.