2 Kings 23:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’i Joiakima ny farao; mba hanomezana ny vola dia voatery notombanany ny tany araka ny didin’ny farao; notereny ny vahoaka rehetra handoa ny vola araka ny tombany avy mba homeny ny farao Neko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jôakima dia nanome volafotsy sy volamena ho an’i Faraôna, fa nampandoaviny hetra ny tany, hanomezana ny tontalim-bola nodidian’i Faraôna haloa; koa samy nampandoa volafotsy sy volamena ny vahoakan’ny tany avy izy ireo araka izay voafetra ho anjarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noteren’i Jôiakima handoa hetra volafotsy sy volamena araka ny ananany avy ny vahoaka mba hanomezana izay notakin’ny Farao Nekao.
Malagasy Bible 1865
Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen'i Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’i Joiakima ny farao; mba hanomezana ny vola dia voatery notombanany ny tany araka ny didin’ny farao; notereny ny vahoaka rehetra handoa ny vola araka ny tombany avy mba homeny ny farao Neko.
malagasy