2 Kings 23:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dimy amby roapolo taona i Joiakima raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika amby folo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran’ny reniny dia Zebida, zanakavavin’i Pedaia, avy any Romaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
25 taona i Jôakima fony voa nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Zebidà zanak’i Fadaiasa avy any Rimà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno 25 taona i Jôiakima fony tonga mpanjaka, ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Zebodà zanakavavin’i Pedaià avy any Romà.
Malagasy Bible 1865
Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia, avy any Romaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dimy amby roapolo taona i Joiakima raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika amby folo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran’ny reniny dia Zebida, zanakavavin’i Pedaia, avy any Romaha.
malagasy
Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia, avy any Romaha.Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.