2 Kings 23:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka azy ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ny Baala sy i Aseraha ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra hiala amin’ny tempolin’NY TOMPO ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema teny amin’ny saha amoron’i Kidrona ireny ary noentiny ho any Betela ny vovony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandidy an’i Helkiasa mpisorona lehibe, sy ny mpisorona amin’ny ambaratonga faharoa ary ny mpiandry varavarana, ny mpanjaka, hamoaka ho eo ivelan’ny tempolin’i Iaveh ny fanaka rehetra natao ho an’i Baala, sy i Astarte mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra; nodorany tany ivelan’i Jerosalema any amin’ny sahan’i Sedrôna ireny, ary nasainy nentina ho any Betela ny vovony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nomen’ny mpanjaka baiko i Hilkià mpisorombe sy ireo mpisorona lefiny ary ny mpiambina varavarana mba hamoaka any ivelan’ny tempoly ireo kojakoja rehetra natao hivavahana tamin’i Bahala sy tamin’i Aserà ary tamin’ireo planeta aman-kintana. Nodorany tany ivelan’i Jerosalema tao amin’ny sahan’i Kidrôna ireny; ka nentiny nankany Betela ny lavenony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka azy ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ny Baala* sy i Aseraha* ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra hiala amin’ny tempolin’NY TOMPO ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema teny amin’ny saha amoron’i Kidrona ireny ary noentiny ho any Betela ny vovony.
malagasy
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.