2 Kings 23:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natsahany koa ny mpisorona tamin’ny andriamanitra tsy izy izay notendren’ny mpanjakan’ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ireny toerana fanaovana sorona tany amin’ny tanànan’i Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ny Baala sy ny masoandro ary ny volana sy ny antokon’ny kintana eny amin’ny habakabaka mbamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noroahiny ny mpisoron-tsampy notendren’ny mpanjakan’i Jodà handoro zava-manitra amin’ny fitoerana avo, tany amin’ny tanànan’i Jodà sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ireo nanatitra zava-manitra ho an’i Baala, ho an’ny masoandro amam-bolana, ho an’ny famantarana 12, ary ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noroahin’i Jôsià ireo mpisorona sandoka izay notendren’ny mpanjakan’i Joda mba handoro sorona hanetona tamin’ireo toeram-panasinana tao an-tanànan’i Joda sy manodidina an’i Jerosalema; noroahiny ireo satria nanao sorona ho an’i Bahala sy ho an’ny masoandro ary ho an’ny volana sy ny planeta aman-kintana.
Malagasy Bible 1865
Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natsahany koa ny mpisorona tamin’ny andriamanitra tsy izy izay notendren’ny mpanjakan’ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ireny toerana fanaovana sorona tany amin’ny tanànan’i Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ny Baala sy ny masoandro ary ny volana sy ny antokon’ny kintana eny amin’ny habakabaka mbamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra.
malagasy
Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.[Heb. Mazotoa; izahao Joba xxxviii. 32]