2 Kings 23:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha dia navoakany hiala tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho any ivelan’i Jerosalema, ao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona; nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary nafafiny teny ambonin’ny fasam-bahoaka ny vovony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny aserah, navoakany any ivelan’i Jerosalema tany amin’ny lohasahan-driaka Sedrôna dia nodorany tany amin’ny lohasahan-driakan’i Sedrôna, ary nony nataony nanjary vovoka, dia nafafiny teny amin’ny fasan’ny zana-bahoaka izany vovoka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalany tao an-tranon’ny TOMPO koa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ka navoakany any ivelan’i Jerosalema mba hodorana ao amin’ny lohasahan’i Kidrôna; ary ny lavenony dia nafafiny teny amin’ny fasam-bahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Aseraha navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha dia navoakany hiala tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho any ivelan’i Jerosalema, ao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona; nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary nafafiny teny ambonin’ny fasam-bahoaka ny vovony.
malagasy