2 Kings 23:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampiantso ny mpisorona rehetra avy tamin’ny tanànan’i Joda izy dia nolotoiny ny toerana fanaovana sorona izay nandoroan’ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Bery-Sheba, ary noravany ny toerana fanaovana sorona tao akaikin’ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ny vavahadin’i Josoa, lehiben’ny tanàna, sy ilay teo ankavia raha miditra amin’ny vavahadin’ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampanalainy ny mpisorona rehetra tany amin’ny tanànan’i Jodà, nolotoiny ny fitoerana avo nandoroan’ny mpisorona zava-manitra, hatrany Gabaà ka hatrany Bersabea, noravany ireo fitoerana avo teo am-bavahady, dia ilay teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Jôsoe lehiben’ny tanàna, sy ilay teo ankavian’ny vavahadin’ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasainy tonga tany Jerosalema ny mpisorona rehetra avy amin’ny tanànan’i Joda; dia narodany ny toeram-panasinana izay fampiasan’ireo mpisorona sandoka ireo sy fandorany sorona hanetona, hatreo Geba ka hatrany Beera-Seba; ary noravany tao Jerosalema ireo toeram-panasinana teo akaikim-bavahady, indrindra ilay teo anoloan’ny vavahadin’i Josoa governoran’ny tanàna ka teo ankavia raha miditra ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampiantso ny mpisorona rehetra avy tamin’ny tanànan’i Joda izy dia nolotoiny ny toerana fanaovana sorona izay nandoroan’ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Bery-Sheba, ary noravany ny toerana fanaovana sorona tao akaikin’ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ny vavahadin’i Josoa, lehiben’ny tanàna, sy ilay teo ankavia raha miditra amin’ny vavahadin’ny tanàna.
malagasy